Leviticus 25:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hamasino ny taona fahadimampolo ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany ka samia mody any amin’ny taninareo sy any amin’ny fokonareo avy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin’ny taninareo sy amin’ny fianakavianareo avy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hamasino ny taona fahadimampolo ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily* ho anareo izany ka samia mody any amin’ny taninareo sy any amin’ny fokonareo avy ianareo.
malagasy
Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.