Leviticus 25:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jobily ho anareo izany taona fahadimampolo izany: Aza mamafy ianareo, aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy nandrantsananareo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jobily ho anareo io taona fahadimampolo io; ka tsy hanao famafazam-bary ianareo, tsy hojinjanareo ny vokatry ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo.
Malagasy Bible 1865
Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy namboarinareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jobily ho anareo izany taona fahadimampolo izany: Aza mamafy ianareo, aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy nandrantsananareo
malagasy