Leviticus 25:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hamafy ianareo amin’ny taona fahavalo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatonga ny taona fahasivy. Mandra-piakatry ny vokatra vaovao no hihinananareo ny tranainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’ny taona fahavalo no hamafazanareo, ka hihinana ny tranainy ianareo, ary hatramin’ny taona fahasivy, mandra-pahavokaran’ny taona dia hihinana ny tranainy ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny taona fahavalo, dia hanao famafazam-bary ianareo kanefa mbola hihinana ny vokatra voaangona taloha; hatrany amin’ny taona fahasivy, mandra-pahatongan’ny fiakaram-bokatra, dia mbola afaka hihinana izany vokatra voaangona taloha izany ihany ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hamafy amin'ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hamafy ianareo amin’ny taona fahavalo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatonga ny taona fahasivy. Mandra-piakatry ny vokatra vaovao no hihinananareo ny tranainy.
malagasy
Ary hamafy amin'ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.