Leviticus 25:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy nahatratra izay ampy handoavana izany izy dia mbola hijanona eo an-tanan’ilay nividy azy ihany ny tany izay namidiny mandra-pahatongan’ny taon-Jobily. Ho afaka izany amin’ny Jobily ka hody amin’ny taniny Ralehilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha tsy mahazo izay ampy handoavany izany onitra izany izy, dia hitoetra eo an-tanan’ilay nividy ihany aloha ny tany namidiny, mandra-pahatongan’ny taona Jobily, fa amin’ny Jobily dia afaka izy, ka hody amin’ny fananany indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, dia hitoetra eo an-tanan’ilay nivily azy ny tany mandra-pahatongan’ny taona Jobily. Io tany io, amin’ny taona Jobily, dia ho afaka teo an-tanan’ilay nividy azy; ka hody amin’ny fananany indray ralehilahy tompony.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy nahatratra izay ampy handoavana izany izy dia mbola hijanona eo an-tanan’ilay nividy azy ihany ny tany izay namidiny mandra-pahatongan’ny taon-Jobily. Ho afaka izany amin’ny Jobily* ka hody amin’ny taniny Ralehilahy.
malagasy
Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.