Leviticus 25:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ny tanàna mimanda dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitra ny herintaona nivarotany azy; ao anatin’izany no hahazoany manavotra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna mimanda dia azony avotana izany, mandritra ny herintaona hatramin’ny nivarotany azy, ka maharitra herintaona maninjitra no ahazoany manavotra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy mivarotra trano itoerana ao anaty tanàna mimanda, dia azony avotana izany mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’io fe-potoana io no hahazoany manavotra azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ny tanàna mimanda dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitra ny herintaona nivarotany azy; ao anatin’izany no hahazoany manavotra azy.
malagasy
Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.