Leviticus 25:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enina taona no hamafazanao ny taninao, enina taona no handrantsananao ny voalobokao sy hanangonanao ny vokatra avy aminy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandritra ny taona enina no hamafazanao ny sahanao, mandritra ny taona enina no handrantsananao ny voalobokao sy hitoazanao ny vokany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Enin-taona no hamafazanareo ny tanimbarinareo sy handrantsananareo ny voalobokareo ka hanangonanareo vokatra.
Malagasy Bible 1865
Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enina taona no hamafazanao ny taninao, enina taona no handrantsananao ny voalobokao sy hanangonanao ny vokatra avy aminy;
malagasy
Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;