Leviticus 25:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitra ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ny tanàna mimanda dia tapaka ho varo-maty ho an’izay nividy azy sy ho an’ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ny Jobily aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitry ny herintaona maninjitra kosa ilay trano ao anaty tanàna mimanda, dia tapaka varo-maty ho an’ilay nividy azy sy ho an’ny taranany, ka tsy ho afaka aminy amin’ny Jobily.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano, dia tapaka ho varo-maty ho an’ilay nividy azy sy ho an’ny taranany; na amin’ny taona Jobily aza, dia tsy ho afaka teo an-tanan’ilay nividy azy izany trano izany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin'ny Jobily aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitra ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ny tanàna mimanda dia tapaka ho varo-maty ho an’izay nividy azy sy ho an’ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ny Jobily aza.
malagasy