Leviticus 25:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy levita hafa manavotra azy dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ny levita dia lovany ao amin’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy mividy trano amin’ny Levita, dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano namidy ao amin’ny tanàna efa nomena azy ireo; satria ny trano ao an-tanànan’ny Levita dia fananany eo afovoan’ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na levita aza no mividy azy, dia ho afaka teo an-tanan’ilay nividy azy izany, amin’ny taona Jobily. Ny trano ao an-tanànan’ny levita manko no mba fananan’ny levita eo afovoan’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy levita hafa manavotra azy dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ny levita dia lovany ao amin’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'Isiraely.