Leviticus 25:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny zanaky ny vahiny izay monina eo aminareo sy amin’ny taranany izay haterany eo amin’ny taninareo koa no hividiananareo; dia ho fanananareo ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo zana-bahiny mitoetra eo aminareo koa no azonareo ividianana, na ireo fianakavian’izy ireo, izay miara-monina aminareo, sy naterany teo amin’ny taninareo; ka dia ho fanananareo ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Azonareo ividianana koa amin’ny zanak’ireo vahiny valovotaka eo anivonareo sy amin’ny taranaka haterany eo amin’ny taninareo; ary dia ho fanananareo ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny zanaky ny vahiny izay monina eo aminareo sy amin’ny taranany izay haterany eo amin’ny taninareo koa no hividiananareo; dia ho fanananareo ireny.
malagasy
Ary amin'ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.