Leviticus 25:47 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tonga manankarena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny ary ny rahalahinao izay mifandray aminy kosa mihamahantra ka mivarotra ny tenany amin’ny vahiny eo aminao, na amin’ny taranaky ny vahiny
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olon-kafa firenena na vahiny tonga manan-karena teo akaikinao ary misy rahalahinao nihanahantra teo akaikiny, ka nivaro-tena tamin’ilay hafa firenena vahiny eo akaikinao, na amin’ny taranaky ny fianakaviana hafa firenena,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy tonga manankarena ny vahiny valovotaka eo anivonareo, fa ny mpiray firenena aminareo kosa misy mihamahantra ka mivarotra ny tenany ho mpanompon’ilay vahiny na ho mpanompon’olona taranak’ilay vahiny,
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;