Leviticus 25:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mijinja izay naniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy nandrantsananao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mijinja izay maniry, avy amin’ny voa nihintsana tamin’ny fijinjana lasa, na hioty ny salohim-boaloboka avy amin’ny voaloboka tsy norantsanana: taona fitsaharana ho an’ny tany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tsy hojinjanareo akory aza izay vokatry ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo akory ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo, fa aoka ho taona fialàn-tsasatra ho an’ny tany volena izany.
Malagasy Bible 1865
Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mijinja izay naniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy nandrantsananao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany.
malagasy
Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.