Leviticus 25:50 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izany dia hisainy amin’izay nividy azy manomboka amin’ny taona nivarotana azy ka hatramin’ny taon-Jobily. Ny vola nivarotany ny tenany kosa dia hifanentana amin’ny isan’ny taona. Toy ny fanisa ny andro niasan’ny mpikarama no hiheverana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy sy ilay nividy azy no hiara-manisa ny taona hatramin’ny nivarotany tena tamin’izy io, ka hatramin’ny taona Jobily; dia hatao araka izay isan’ny taona ny vola nivarotany ny tenany; hotombanana toy ny fanao amin’ny mpikarama izay andro niasany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa havotana izy, dia hanisa taona miaraka amin’ilay tompony, manomboka eo amin’ny taona nahampanompo azy ka miafara amin’ny taona Jobily; araka izay isan’ny taona no hanamboarana ny vola nividianana azy, ary araka izay fanao amin’ny mpikarama isan’andro no hanombanana ny asa vitany.
Malagasy Bible 1865
Ary dia hisainy amin'izay nividy azy hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona; dia ara-kevitry ny andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izany dia hisainy amin’izay nividy azy manomboka amin’ny taona nivarotana azy ka hatramin’ny taon-Jobily. Ny vola nivarotany ny tenany kosa dia hifanentana amin’ny isan’ny taona. Toy ny fanisa ny andro niasan’ny mpikarama no hiheverana azy.
malagasy