Leviticus 25:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay maniry ho azy amin’ny Sabatan’ny tany no ho sakafo ho anao, ho an’ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao, ho an’ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay ho vokatry ny tany mandritra ny sabatany dia hatao fivelomana ho anao, mbamin’ny ankizy lahinao, ny ankizy vavinao, ny mpikaramanao, ny vahiny miara-monina aminao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay zava-maniry voajanahary, mandritra ny fialàn-tsasatry ny tany volena, dia azo hanina ho anareo sy ny mpanomponareo mbamin’ny mpikarama sy vahiny tafaraka aminareo;
Malagasy Bible 1865
Ary izay maniry ho azy amin'ny sabatan'ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay maniry ho azy amin’ny Sabatan’ny tany no ho sakafo ho anao, ho an’ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao, ho an’ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
malagasy
Ary izay maniry ho azy amin'ny sabatan'ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao