Leviticus 25:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; amin’ny Andro Fanavotana Lehibe no hitsofanareo anjomara manerana ny taninareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra; amin’ny andron’ny fanonerana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito, andro fankalazana ny Famelàn-keloka, dia hitsoka anjomara ombàm-pihobiana ianareo ka manerana ny taninareo no hitsofanareo azy.
Malagasy Bible 1865
Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; amin’ny Andro Fanavotana Lehibe no hitsofanareo anjomara manerana ny taninareo.
malagasy
Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo.