Leviticus 26:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba tsy hanandevozany anareo intsony; notapahiko ny zioga izay teo aminareo mba hitrakanareo fandeha.
Malagasy Bible 1865
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka.
malagasy
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,