Leviticus 26:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampiditra sabatra hamely anareo Aho, ho valin’ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo ianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.
malagasy