Leviticus 26:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia horavako ny toerana fanaovanareo sorona ary hokapaiko ny tsangankazon-tsampinareo ho an’ny masoandro ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo ary ho halan’ny fanahiko ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.
Malagasy Bible 1865
Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko ianareo.