Leviticus 26:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’izany ny tany dia hifaly amin’ny Sabatany mandritra ny andro rehetra izay hahafoana azy raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany, hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rehefa any amin’ny tanim-pahavalonareo ianareo, amin’izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’izany ny taninareo hahazo fitsaharana mandritra ny taona rehetra hahafoana azy rehefa any amin’ny tanin’ny fahavalonareo any ianareo; amin’izay tokoa ny taninareo no hiala sasatra ka hahazo fitsaharana.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’izany ny tany dia hifaly amin’ny Sabatany mandritra ny andro rehetra izay hahafoana azy raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany;
malagasy
Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;