Leviticus 26:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’ireo sisa aminareo dia hampidirako hakiviana ao am-pony, any amin’ny tanin’ny fahavalony, ka na ny feon’ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandositra sabatra izy ka ho lavo na dia tsy misy manenjika aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny sisa aminareo any amin'ny tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’ireo sisa aminareo dia hampidirako hakiviana ao am-pony, any amin’ny tanin’ny fahavalony, ka na ny feon’ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandositra sabatra izy ka ho lavo na dia tsy misy manenjika aza.
malagasy