Leviticus 26:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hilaozan’izy ireo ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany satria mitoetra foana tsy misy olona; fa ny olona kosa dia hanonitra ny amin’ny helony satria nandà ny fitsipiko sady nankahala ny didiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tany nilaozany, ka hanana ny sabata mandritra ny fotoana hahafoana azy, nialan’izy ireo lavitra; izy ireo koa hanaiky ny sazin’ny hadisoany, noho izy efa nanamavo ny fitsipiko, sady boboky ny lalàko ny fanahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay tany, izay nilaozan’ireo Israelita, dia hahazo fitsaharana mandritra ny fotoana hahafoana azy; fa hanefa ny sazin’ny heloka vitany kosa ireo Israelita, satria nandà ny fitsipiko ary nankahala ny lalànako.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hilaozan’izy ireo ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany satria mitoetra foana tsy misy olona; fa ny olona kosa dia hanonitra ny amin’ny helony satria nandà ny fitsipiko sady nankahala ny didiko.
malagasy