Leviticus 26:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
malagasy