Leviticus 26:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta teo imason’ny Jentilisa mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin’ny razany, izay navoakako tany amin’ny tany Ejipta, teo imason’ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hotsarovako hanasoavana azy ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny razany, izay navoakako hiala tany Ejipta teo imason’ny firenen-kafa mba hahatonga Ahy ho Andriamaniny. Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta teo imason’ny Jentilisa* mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no TOMPO.
malagasy
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.