Leviticus 26:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka ny taom-pivelezanareo ary ho tratry ny taom-pamafazana ny taom-piotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky ary handry fehizay eo amin’ny taninareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fivelezam-bary haharitra hatramin’ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky tsara, ary handry feizay eo amin’ny taninareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tratry ny fiotazam-boaloboka ny fivelezam-bary eo aminareo, ary ho tratry ny famafazana ny fiotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry feizay eo amin’ny taninareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka ny taom-pivelezanareo ary ho tratry ny taom-pamafazana ny taom-piotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky ary handry fehizay eo amin’ny taninareo.
malagasy