Leviticus 27:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny sasany amin’ny zara taniny, dia ho araka ny voa famafy aminy no hanombananao azy, ka volafotsy dimampolo sikla no hanombananao ny tany mifafy orja iray gômera.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia araka ny haben’ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary ôrza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo.
malagasy