Leviticus 27:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany.
malagasy
Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.