Leviticus 27:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy hanavotra ny tany izy fa hivarotra azy amin’olon-kafa dia tsy ho azo avotana intsony izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy avotany ny tany na amidiny amin’olona hafa dia tsy azo avotana intsony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha tsy avotan’ny tompony kosa ny tany fa amidiny amin’olon-kafa, dia tsy azony avotana intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin'olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy hanavotra ny tany izy fa hivarotra azy amin’olon-kafa dia tsy ho azo avotana intsony izany.
malagasy
Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin'olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.