Leviticus 27:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa amin’ny Jobily, rehefa afaka tamin’ilay nivarotana azy ny tany, dia ho masina ho an’NY TOMPO tahaka ny saha natao zavatra voaozona izany: Ny mpisorona no ho tompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa rehefa afaka amin’ny Jobily ny tany dia hatokana ho an’i Iaveh toy ny tany nivoadiana, ka ho tonga fananan’ny mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa afaka teo an-tanan’ilay nividy azy io tany io amin’ny taona Jobily, dia voatokana ho an’ny TOMPO tahaka ny tany afoy ho Azy; ka ny mpisorona no hanjary tompony.
Malagasy Bible 1865
Fa raha afaka amin'ny Jobily ny tany, dia ho masina ho an'i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa amin’ny Jobily, rehefa afaka tamin’ilay nivarotana azy ny tany, dia ho masina ho an’NY TOMPO tahaka ny saha natao zavatra voaozona izany: Ny mpisorona no ho tompony.
malagasy
Fa raha afaka amin'ny Jobily ny tany, dia ho masina ho an'i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.