Leviticus 27:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hokajin’ny mpisorona aminy izay tokony ho tombany hatramin’ny taon-Jobily, ary handoa izay tombany amin’io andro io ihany izy; zava-masina ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.
Malagasy Bible 1865
dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hokajin’ny mpisorona aminy izay tokony ho tombany hatramin’ny taon-Jobily, ary handoa izay tombany amin’io andro io ihany izy; zava-masina ho an’NY TOMPO izany.
malagasy
dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.