Leviticus 27:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’NY TOMPO, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby na ondry na osy, fa efa an’NY TOMPO io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy misy anefa mahazo manokana voalohan-teraky ny biby fiompiny, fa efa an’i Iaveh rahateo izany noho ny mahavoalohan-teraka azy, ka na omby na ondry dia efa an’i Iaveh izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’NY TOMPO, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby na ondry na osy, fa efa an’NY TOMPO io.
malagasy
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.