Leviticus 27:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ny zavatra rehetra izay ataon’ny olona ho zavatra voatokana ho an’NY TOMPO amin’izay ananany, na olona na biby fiompy na tany izay ao amin’ny fananany dia tsy hamidy na havotana satria tena zavatra masina ho an’NY TOMPO ny zavatra rehetra izay voatokana ho AZY.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izay rehetra natokan’ny olona nataony anatema ho an’i Iaveh amin’izay rehetra ananany, na olona na biby, na tany zara lovany, dia tsy ho azo amidy na avotana, fa zava-masina dia masina an’i Iaveh avokoa izay rehetra natokana natao anatema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny zavatra rehetra avahan’ny olona mba hafoy ho an’ny TOMPO, amin’izay ananany na olona na biby fiompy na zara tany, dia tsy ho azo amidy na avotana; ny zavatra rehetra, izay hafoy toy izany, dia zavatra voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan'ny olona ho an'i Jehovah amin'izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masina dia masina ho an'i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ny zavatra rehetra izay ataon’ny olona ho zavatra voatokana ho an’NY TOMPO amin’izay ananany, na olona na biby fiompy na tany izay ao amin’ny fananany dia tsy hamidy na havotana satria tena zavatra masina ho an’NY TOMPO ny zavatra rehetra izay voatokana ho AZY.
malagasy