Leviticus 27:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hojerena na tsara na ratsy izany ary tsy hatakalo; fa raha misy biby atakalo dia samy ho masina avokoa na ilay atakalo na ny takalony ka tsy misy azo avotana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy azo ifidianana izay tsara na ratsy izany, ary tsy azo takalozana koa; fa raha takalozana dia ho samy zava-masina avokoa, na ny biby natakalo, na izay natakalo azy, sady samy tsy ho azo avotana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ijerena ny tsara na ratsy izany sady tsy azo atakalo; kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa ka samy tsy misy azo avotana.»
Malagasy Bible 1865
Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hojerena na tsara na ratsy izany ary tsy hatakalo; fa raha misy biby atakalo dia samy ho masina avokoa na ilay atakalo na ny takalony ka tsy misy azo avotana.
malagasy
Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.