Leviticus 27:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mahantra kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona izy ary ny mpisorona dia hanombana azy. Araka izay takatry ny ananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mahantra loatra izay olona mivoady ka tsy mahaloa ny tombana nataonao, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona izay hanombana azy izy, ka dia hoferan’ny mpisorona araka ny teo-pananan’ny olona nivoady ny tombany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha mahantra kosa ilay olona nivoady ka tsy mahaloa izay vola voatombanao haloany, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona natokana ho an’ny Tompo; araka izay fari-pananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona ny vola haloa.
Malagasy Bible 1865
Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mahantra kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona izy ary ny mpisorona dia hanombana azy. Araka izay takatry ny ananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona azy.
malagasy