Leviticus 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; sakafo avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana izany fa an’NY TOMPO ny jabora rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina izany. «Ny faritra matavy rehetra dia atokana ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; sakafo avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana izany fa an’NY TOMPO ny jabora rehetra.
malagasy
Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.