Leviticus 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ra manodidina ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ra manodidina ny alitara.
malagasy
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.