Leviticus 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo zanak’i Arona dia handoro an’ireo ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo izay eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo taranak’i Aharôna kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ireo sorona dorana manontolo eo ambonin’ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo zanak’i Arona dia handoro an’ireo ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo izay eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
malagasy