Leviticus 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara.
malagasy
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.