Leviticus 3:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;
Malagasy Bible 1865
Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
malagasy