Leviticus 4:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izany hoe ny tenan’ny vantotra ombilahy manontolo kosa indray no havoakany ho eny ivelan’ny toby, ho eny amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona. Handoro azy eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izy; eo amin’ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin’ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin’ny antontan-davenona no handorany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izany hoe ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy, dia hasainy hoentina any ivelan’ny toby, ho any amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona, ka hodorana eo ambony kitay hazo mirehitra izany; eo amin’ny toerana fanariana ny lavenona no handoroana azy.
Malagasy Bible 1865
dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izany hoe ny tenan’ny vantotra ombilahy manontolo kosa indray no havoakany ho eny ivelan’ny toby, ho eny amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona. Handoro azy eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izy; eo amin’ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
malagasy