Leviticus 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy,
malagasy