Leviticus 4:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo loholon’ny Fiangonana dia hametra-tanana amin’ny lohan’ilay ombilahy, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; ary loholona anankiray no hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy.
malagasy
Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.