Leviticus 4:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hakany koa io ra io hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky* ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.
malagasy
Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.