Leviticus 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ireny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.
Malagasy Bible 1865
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao:
malagasy
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny: