Leviticus 4:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay vantotra ombilahy dia hataony tahaka ny nataony tamin’ny vantotra ombilahy izay natao fanatitra fanadiovana, toy izany no hanaovany azy. Dia hanao fanavotana ho an’ny olona ny mpisorona ka havela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny nataon’izy mpisorombe tamin’ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin’ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon’ny mpisorombe tamin’ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay vantotra ombilahy dia hataony tahaka ny nataony tamin’ny vantotra ombilahy izay natao fanatitra fanadiovana, toy izany no hanaovany azy. Dia hanao fanavotana ho an’ny olona ny mpisorona ka havela ny helony.
malagasy