Leviticus 4:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay vantotra ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny nandoroany ny vantotra ombilahy voalohany. Fanatitra fanadiovana ho an’ny fiangonana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Havoakany ho any ivelan’ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan’ny fiangonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ilay ombilahy kosa hasain’ny mpisorombe hoentina any ivelan’ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin’ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an’ny fiangonan’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay vantotra ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny nandoroany ny vantotra ombilahy voalohany. Fanatitra fanadiovana ho an’ny fiangonana izany.
malagasy
Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.