Leviticus 4:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo; ny ra sisa kosa dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay osilahy ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana ka hahosony eo amin’ireo tandroky* ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo; ny ra sisa kosa dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.
malagasy
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;