Leviticus 4:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny jaborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, tahaka ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Ary hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany ny mpisorona dia havela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, hodorany daholo eo ambonin’ny ôtely ny sabora, toy ny fandoroany ny sabora amin’ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara tahaka ny fanao azy amin’ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Malagasy Bible 1865
ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny jaborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, tahaka ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Ary hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany ny mpisorona dia havela ny helony.
malagasy
ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.