Leviticus 4:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO.
malagasy
raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.