Leviticus 4:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr’io alitara io ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky* ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara.
malagasy
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.