Leviticus 4:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny fanati-pihavanana, ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara ny mpisorona ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona dia havela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Malagasy Bible 1865
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny fanati-pihavanana, ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara ny mpisorona ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona dia havela ny helony.
malagasy