Leviticus 4:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay ondry ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara.
malagasy
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.